Niaiky heloka, nosamborina ka notanan’ny zandary atao andrimaso ilay lehilahy nanolan-jaza 16 taona tao Andrafitany, fokontany Antamboho, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nisy nahatsikaritra ny fihetsika mamoafady nataon’io lehilahy io. Nitaraina rahateo koa ilay ankizivavy niharan’ny fanolanana matetika. Raikeliny ihany no nambarany fa tompon’antoka tamin’ny fanolanana azy. Nanamparan’ireo rangahy io […]
Taratra
Loza tao an-tsekoly: Ankizy 8 taona maty nianjera
Namoy ny ainy, tra-doza tany an-tsekoly ny ankizivavy valo taona, teny Ambohibao. Nianjera avy eny amin’ny rihana faharoa izy, hoy ny zandary nanontaniana. Nikasa hamonjy fodiana taorian’ny firavana, nianjera tampoka teny amin’ny rihana faharoa tao amin’ny trano fianarany, ny ankizivavy iray tetsy Ambohibao, afakomaly. Nifamonjena teny amin’ny mpitsabo, tsy tana […]
Tohana ho an’ny PME : hiara-hiasa ny DGI sy ny FMFP
Vonona hanohana ny ny orinasa malagasy madinika sy salantsalany (PME) ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) sy ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, ny alarobia teo, tetsy Ambodivona. Tantsoroka izay hiompana tanteraka amin’ny fampanarahana ny toetrandro ireo fahalalan’ny orinasa ny lalàna sy ny paika […]
Jono : tafakatra 44% ny vola azo tamin’ny UE
«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana […]
Tropic.com : ilaina ny serasera amin’ ny tambajotra
Tsy mitsahatra mivoatra ny fivoaran’ny serasera. Ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany. Mandray anjara eny amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) eny amin’ny CCI Ivato, ny 20-23 jona 2024 ny orinasa Tropic. com. Misehetra amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny mpanjifa. […]




