Nisitraka fanohanana amin’ny famolavolana ny Drafitra hiatrehana ny toetr’andro “Climate prosperity plans – CPP” amin’ity taona ity i Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fikaonandohan’ireo firenena tena mahantra “Forum des pays les plus pauvres – CVF” sy ny “Secrétariat du vulnerable twenty – V20” izany. Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]
Taratra
Hambom-po
Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy! Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. […]
Fifidianana depiote : anatin’ny fandinihana ireo porofo ny HCC
Miasa andro aman’alina, hatramin’ny faran’ny herinandro, ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC. Anatin’ny fandinihana ireo fitoriana izy ireo, amin’izao fotoana izao. Nanamafy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana, fa anatin’ny fikirakirana sy famakafakana ireo porofo rehetra amin’ireo fitoriana voarainy ny mpitsara avo. Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny fotoana […]
TSELATRA
Zazalahy 3 taona maty nianjeran’ny Parpaing tao Antanimalandy Mahajanga, omaly. Nianjera tampoka tamin’io zaza io ilay akora fanamboarana trano ka nitarika ny fahafatesany. Taitra tamin’io tranga io, nisotro asidra ny rain’ilay zaza ka manaraka fitsaboana. Maty voatifitry ny zandary i Remenamaso, dahalo nangalatra omby tao amin’ny fokontany Mahavelo, kaominina Akondromena, […]
Lozam-pifamoivoizana – RN12 : 4×4 nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily
Nandeha mafy, fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza teny amin’ny RN12, ny 19 jona teo tamin’ny 3 ora sy 55 minitra maraina. Niala avy ao Irondro, nikasa ho any Vangaindrano io fiara io. Tsy nahafehy ny familiana tampoka anefa ny mpamily rehefa niditra teo amin’ny tanànan’i Mahazava, fokontany Irondro, kaominina […]




