“Aoka samy hanaraka sy hanaja ny lalàna ka raha misy ny olona tsy manara-dalàna sy ny lalàna voadika dia aoka hihatra ny lalàna mifanaraka amin’izay”, hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa. Mandeha ny resaka manoloana ny filazana ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa, nandritra ny zotram-pifidianana solombavambahoaka. Araka ny nambaran’ity Profesora […]
Taratra
Atrikasan’ny minisiteran’ny Fitsarana: hahena ny fotoana ihazonana am-ponja ny zaza
Manatanteraka atrikasa ho fanatsarana ny fomba fiasa anatina fifanakalozan-kevitra ireo mpitsara misahana ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona. Nivoitra tamin’izany ny hampitoviana ny fampiharana ny lalàna mihatra amin’ireo zaza tsy ampy taona. Na ireo nanao heloka na niharam-boina izany. Hiara-mijery koa ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara sady […]
Fianianan’ny filohan’i Afrika Atsimo : nisolo tena ny filoha Rajoelina ny Praiminisitra Ntsay
Notanterahina, omaly, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry any an-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nigadona tao Pretoria, omaly tolakandro ny lehiben’ny Governemanta, i Ntsay Christian. Nanatrika ny lanonana, nametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha, i Cyril Ramaphosa. Voafidin’ ireo […]
Fanambaram-pananana : “Fisorohana kolikoly”, hoy ny Bianco
“Fepetra iray hisorohana ny kolikoly ny fanaovana fanambaram-pananana. Tsy tonga dia ampiasaina amin’ny fanaovana fanadihadiana ny fanambaram-pananana”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Ambohibao, omaly, taorian’ny nandraisany ny fanambaram-pananana avy amin’ireo tomponandraikitra ambony eny anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Fomba iray hampangaraharana ny fiharian-karena ho an’ny […]
Vondrona Firaisankina : “Mba hitsara amim-pahamarinana ny HCC”
“Mba hitsara amim-pahamarinana ny HCC”. Io no anisan’ny nambaran’ireo kandidà depiote natolotry ny vondrona Firaisankina, teny Andrainarivo, omaly, amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny raharaham-pifidianana depiote natao tamin’ny 29 mey izao. Mahatratra anarivony ny fitoriana tonga eny Ambohidahy momba ny raharaham-pifidianana. Nitondra […]




