Taratra

Loholona Tsiebo Mahaleo: “Fandikan-dalàna ny fandrahonana ny HCC”

Hanao ahoana ny valim-pifidianana depiote? Samy manana fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy. Manana ny fijeriny ny loholon’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Fanehoan-kevitra… “Tsy ekena ny finiavana hanao sinto-mahery na bodongerona fotsiny izao… Ry zareo mpanohitra milaza azy ho manara-dalàna indray amin’izao no mandika lalàna. Fandikan-dalàna ny […]

« Diary Nofy »: nivoaka ny boky faharoa, amin’ny endriny fihaino

Mitondra ny ankizy any anaty nofinofy… Nahitana fanatsarana raha oharina amin’ilay andiany voalohany ilay boky « Diary Nofy », nampahafantarina omaly koa ny endriny fihaino. Boky fa fihaino. Efa fanao izany, ary tsy natao ho an’ireo manana fahasembanana amin’ny maso ihany, fa ho fampitiavana bebe kokoa ny boky ihany koa. Efa mivoaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia. Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. […]

Vita ny tetezan’i Nosibe: mamelona indray ny toekarena ao Toamasina

20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]