Nidiran’ny roa lahy antsokosoko ny trano fonenan’ny filohan’ny Fikambanana mpanao gazety ao Toamasina (AJT), tao amin’ny fokontany Analakininina, Hopitaly Be, parisela 12/21-22, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 19 jona teo. Namita iraka ivelan’i Toamasina ny filohan’ny fikambanana ka tsy tao an-tranony. Finday maromaro an’ny vady aman-janak’ilay mpanao gazety lasibatra sy […]
Taratra
Latsaka tanaty lavaka : zandary maty, ilay zaza avotra!
Nitady toerana avo hiantsoana amin’ny finday, nilatsaka tampoka tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha, tao Ankazobe. Namoy ny ainy izy. Maty tampoka rehefa nilatsaka tsinahy tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha iray, omaly. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, kaominina ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Nalefan’ny lehibeny nanao fisafoana teny amin’io fokontany […]
Faha-64 taonan’ny Fahaleovantena : hanomboka anio etsy Soarano ny « podium » ho an’ny rehetra
Mianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ny hetsika ara-kolontsaina hanamarihana izany eto Antananarivo. Tanterahina androany hatramin’ny 25 jona izao manoloana ny gara Soarano etsy Analakely ny « podium ». Atao isaky ny amin’ny 4 hatramin’ny 7 ora hariva eo ho eo izany. […]
Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany: fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco
Nanao rodobe teny amin’ ny biraon’ny Bianco eny Ambohibao, omaly 19 jona 2024, ny mpitantana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MIM) sy ireo rantsa-mangaika ao aminy, toy ny Omnis, ny BCMM, ny Anor, sns. Napetraka teny ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananan’izy ireo, izay fanao ho an’ny mpiasa ambony […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, ho an’ny sokajy D1, vehivavy. Fihaonana hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 23 jona izao. 3FB hikatroka amin’ny ASUT ary ny FTM Manjakaray hifanehitra amin’ny FTFA Antohomadinika. Nitohy omaly tany Antsirabe ny fifanintsanana hiadiana ny ho […]




