Nilatsaka ny fampitandremana. Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa vonona hatrany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, amin’ny alalan’ny OMC, hisoroka ny mety ho korontana. “Tsy azo ekena velively ny hanaovana hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey na ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna”, hoy izy, omaly. Nohamafisiny fa tena […]
Taratra
Andohatapenaka: jiolahy telo maty voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra ny poa-basy teny Andohatapenaka, afakomaly. Jiolahy telo lahy lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tamin’ny 11 ora alina. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona efatra mampiahiahy nihaodihaody teny amin’ny manodidina. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireo efa-dahy ireo ka nivezivezy tsy an-kijanona teo amin’ny faritry ny Coco plastika Andohatapenaka. Nihatrana […]
Tsimbazaza: tratra ilay nandroba toeram-pisakafoana
Voasambotry ny polisim-pirenena ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana toeram-pisakafoana iray tao Tsimbazaza, ny 2 janoary teo. Novakian’io olon-dratsy io ny efitrano nisy ny entana sarobidy, toy ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra, miampy fitaovana fampiasa an-dakozia lafo vidy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tompon’ny toerana lasibatra satria matiantoka tanteraka […]
Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Marcellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny […]
Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]