Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]
Taratra
Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka
Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafantatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]
Indray mijery
Manohy ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anton’izany ny loto nateraky ny fety noho ny hamaroan’ny olona nivezivezy tamin’ireo hetsika sy fiantsenana maro. Nimasoana aloha ireo toerana tena be olona toy ny teny Ambohijatovo sy Analakely. Hitohy eny amin’ny toerana hafa sy ireo misy tsena izany. Mpianatra 260 […]
Fisotroan-dronono: nivoaka ny tetiandro hamoahana ny vola
Efa mivoaka ny tetiandron’ny fandraisana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany, ho an’ity volana janoary 2025 ity. Ho an’ny eny amin’ny perception, TP, TPIC, eto Analamanga. Hanomboka ny zoma 10 janoary izao izany ho an’ireo manana laharana mifarana amin’ny 0 ka hatramin’ny 2. Ho an’ny laharana miafara amin’ny 3 ka […]
Toetr’andro Ahina ny fiforonana andro ratsy
Namoaka ny vinan’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Nisongadina tamin’izany ny fampahafantarana fa heverina ny mety ho fiforonana andro ratsy any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny faran’ny herinandro no heverina hiforonan’izany. Arahin’ny Meteo Madagasikara hatrany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy […]