Haharitra dimy andro, natomboka teo Andohan’Analakely, ny sabotsy maraina teo, ny hetsika “Dona” izay nentina indrindra mba hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna maro samihafa ataon’ny mpitondra moto. Miseho amin’ny endrika samihafa ny tsy fanarahan-dalàna hita teny an-toerana, toy ny fanaovana taingimbe, antontan-taratasina moto tsy ampy. Tsy fanaovana […]
Taratra
Alakamisy Fenoarivo: Taxi-be nifaoka mpiantsena
Mpiantsena sy ankizy dimy niharan-doza voafaokan’ny taxi-be teny Alakamisy Fenoarivo, afakomaly hariva. Nandeha mafy ilay fiara mpitatitra ka nifatratra tamin’ny tsena amoron-dalana iray. Lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray izay voa teo amin’ny faritry ny tongony sy ny lohany. Voadona niaraka taminy ny zazakely iray. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo […]
Sabotsy Namehana: zana-tsokatra 342 isa nariana amoron-dalana
Karohina ny tompon’antoka tamin’ny fanariana zana-tsokatra an-jatony teny amin’ny lalana mihazo ny kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Efa nofonosina harona plastika, ahina ho saika nahondrana ireo biby arovana ireo. Hitan’ny zandary teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy maraina tamin’ny 3ora sy 30mn […]
“Star Tour” Antananarivo : mpanakanto maro no hanafana ny Coliseum
Eny amin’ny Coliseum no hanatontosana ny “Star Tour” andiany faharoa amin’ity taona ity. Notsongaina manokana ireo mpanakanto hanafana izany. Mpanakanto heverina fa mamaly ny filan’ny mpankafy amin’izao fotoana. Ireo no notsongaina hanafana ny “Star Tour” eto Antananarivo, izay andiany faharoa amin’ny hetsika amin’ ity taona ity. Hotontosaina ny 21, 22 […]
Ankohonana malagasy : ikaky no loham-pianakaviana
Rahampitso no voalaza fa hanamarihana ny « Fetin’ny ray ». Na nisy io na tsia, ho an’ny ankohonana malagasy, Ikaky no lohan’ny fianakaviana. Ineny kosa no tompon’ny tokantrano. Amin’ny maha lohany azy, mandalo eo anatrehany avokoa ny momba ny tokantranony. Na tsy miresaka mivantana amin’ireo menaky ny ainy aza izy, fantany amin’ny […]




