Taratra

Avy nandray fisotroan-dronono: raim-pianakaviana sy ny mpiasany nisy namono tao an-tranony

Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny. Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy […]

JME sy JMDS : mandeha ny ady amin’ ny haintany any Atsimo

Nosokafana, omaly, tany Toliara, ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), sy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fiangazan’ny tany sy ny haintany (JMDS). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Max Andonirina Fontaine, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 57 778 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, tao anatin’ny efa-bolana voalohan’ny taona 2024. Niakatra maherin’ny 14,3% ity antontanisa ity raha oharina tamin’ny efa-bolana voalohan’ny taon-dasa, izay 50 447. Na izany, mbola ambany lavitra ny antontanisa voaangona tamin’ny taona 2019, izay nahatratra 65 070. Niato avokoa ny famatsian-drano tamina toerana […]

Tetikasa PICM : antontam-baovao ara-barotra

Misy ny fitaovana niomerika antsoina hoe Varavarana misokatra ho an’ny antontam-baovao eto Madagasikara (PICM). Miahy azy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), miaraka amin’ny Komity na­sionaly manamora ny fifanakalozana ara-barotra (CNFE). Manohana ara-bola ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ao anatin’ny Tetikasa fanajariana ny rohy ara-barotra […]