Taratra

Soanierana Ivongo: Tovolahy latsaka tao anaty rano mangokatra

Nitsovaka mihitsy ny vatan’ilay tovolahy iray antsoina hoe Galera latsaka tao anaty rano mangotraka, tao amin’ny fokontany Ambodivoanio Soanierana Ivongo, afakomaly. Tampoka ny fiavian’ny loza ary samy tsy nanampo izany ireo mpiara-miasa aminy. Avy nahandro ravin-jirofo izy ka teo am-piomankomanana hody no nisolifatra tampoka, latsaka tao anaty vilanibe mbola nisy […]

Nahondrana ao Kaomoro : olona telo nahatrarana sokatra 400 isa

Sokatra miisa 400 saron’ny mpitandro filaminana tao Moroni, nosy kaomoro, afakomaly. Nisy olona telo nosamborina ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nampiahiahy ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny fisian’ny mpanao trafika. Nosavaina ny trano fonenan’ireo olona nampiahiahy rehefa nahazo loharanom-baovao izy ireo. Na­hitan’ny tomponandraikitry ny filaminana baoritra miisa telo tao amin’ny trano […]

Fanafody Aflasafe: fanefitra amin’ny aretin’ny voamaina

Fahita amin’ny voamaina, toy ny katsaka, ny voanjo, na voamaina hafa, ny endrika bobongolo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny teknisiana, aretina miendrika holatra, antsoina hoe «aflatoxine» ireny hita ireny. Hita ny vahaolana hiadiana aminy, ny fanafody «Aflasafe». Manoloana izany, nisy ny atrikasa hitadiavana ny vahaolana hiadiana amin’ity valanaretina ity. Tanteraka izany, […]

Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti

Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie. Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antani­narenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana […]

Faritra Sava : manomboka anio ny JIR faha-9

Tontosaina ao amin’ny faritra Sava, manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée internationale des Régions) andiany fahasivy. Hetsika ara-toekarena entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana, ny famokarana ary ny fihariana any amin’ny faritra. Lohahe­vitry ny fankalazana amin’ity ny hoe « Faritra Sava, manana otrikarena manan-danja: […]