Taratra

Vary : Hakarina 11 256 000 taonina ny vokatra, ny taona 2030

Mikendry ny hampiakatra ny voka-bary hatrany amin’ny 11 256 000 taonina (t) amin’ny taona 2030 i Madagasikara hahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fanafaram-bary, izay mahatratra hatrany amin’ny ny 500 000 t isan-taona hamaliana ny filan’ ny mponina. Tombony lehibe ho an’ i Madagasikara ny se­hatry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nifona tamin’ny vahoaka ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, ny sabotsy teo, noho ny tranga niseho teny Ivandry. Niteraka fahatairana ho an’ireo teny amin’ny manodidina izany. «Misy ireo manakorontana amin’ny alalan’ny fampihorohoroana. Tsy azo ekena izany. Miantso ny rehetra hampafantatra ireo mpandefa «Drone» izahay», hoy izy. Nisy avy hatrany ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Tsy ekena ny fitsabahana sy tsindry avy any ivelany”

“Manamafy izahay fa ma­haleo tena ny firenena ma­lagasy. Ny vahoaka malagasy irery ihany no masi-mandidy amin’ny fandraisana ireo fepetra heverina fa tokony hitondrana ny firenena”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Randriana­sol­o­niaiko Siteny, namarana ny fivorian’ny Antenimieram­pirenena teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Noho izany, tsy azo ekena izay rehetra mety […]

Gadra politika

  Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe fisian’ny gadra politika na tsia. Vokatry ny fehinkevitry ny fivoriana manokana nampitain-davitra momba an’i Madagasikara nataon’ny vondrona Sadc tamin’ny faran’ny volana teo. Takin-dry zareo ny famoahana ireo hoe gadra politika. Inona ny marina? Arakaraka ny toerana hatrany ny fijerena sy fahitana zavatra iray, indrindra […]

Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Nandalo sedra ny Tim tao anatin’ny 24 taona »

Nomarihina teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny faha-24 taonan’ny Tim. Notsiahivin’ny filoha mpanorina, Ravalomanana ny lalana nodiavin’ny antoko. «Maro ny fisedrana tao anatin’ny fito taona nitantanana firenena sy ny taorian’izany. Nandalo fitsapana sy ny sakantsakana ary hetraketraka. Mbola mijoro anefa ny Tim», hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny mampiavaka ny antoko […]