Taratra

TARATRY ny KANTO

Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely […]

Académie Arts-Sciences-Lettres- France : Nahazo ny medaly volamena i Ilo Rakoto

Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]

VAOVAO TAMBATRA

An-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona ny Jirama amin’izao fotoana, hamaliana ny filan’ny mpianatra. Efa tafapetraka kosa ireo “onduleurs” sy takela-masoandro miisa 2600 raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fifanarahana […]

Orange AINGA DATA : Azon’ny Orange Digital Center ny loka voalohany

Norombahan’ny Orange Di­gital Center ny amboara tamin’ ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina Artifisialy ho an’ny tanora malagasy. Nifan­toka tamin’ny «Step Up Brain» na fametrahana vovonana hampivondronana sy hanadihadiana ireo antotan-kevitra ka ahafahana mandray fanapahan-kevitra ny tetikasan’ireo tanora. Nahazo ny «prix coup de cœur kosa ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) […]

Salon RSE & IDD : Hametraka tetikasam-pampandrosoana maharitra

Voafaritra nandritra ny lanonam-pamaranana ny «salon RSE & IDD», andiany faha-10, ny zoma teo, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ireo vinan’ny hetsika ho an’ny taona manaraka. “Kendrena ny hametraka sehatra nasionaly hanohanana sy hanafainganana ireo tetikasa momba ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny tale mpanorina ny Innoveo sady mpi­ka­rakara ny hetsika, Rabefitiavana […]