Taratra

Fahasalamana : 50 taona niara-niasa i Madagasikara sy i Chine

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana teto Madagasikara ny sinoa, tao anatin’ny 50 taona. Tolotra ara-pahasalamana sy fizarana traikefa ary fanampiana ara-pitaovana ny endrika nisehoan’izany. Manamarika ny faha-50 taonan’ny fiarahan’i Madagasikara sy Chine nisehatra tamin’ny fahasalamana isika izao. Nanolotra fitaovana ho an’ny hopitaly Anosiala, araka izany, ny hopitaly […]

Terak’Imady Ambohipo : Nahaliana an’Antananarivo ny Savika

Nahaliana ny mponina teto Antananarivo ny hetsika ara-kolontsaina Betsileo, Savika, nokarakarain’ny terak’Imady Ambohipo na fikambanana Fitia. Tetsy Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrika Avaradrano, no nanatanterahina izany. Nanafatra mpisavika manokana avy any amin’ny faritany niaviany dia ny Betsileo ireo mpikarakara nanomezana aina tsara io kolontsaina io. Tao koa ireo zanaky ny faritra […]

Voka-pikarohana Life plan: Nahitana bibikely sy zavamaniry tsy mbola voarakitra

Nampahafantarina omaly, teny Fiadanana, ny tatitry ny valim-pikarohana Life plan, natao nandritra ny dimy taona, teto amintsika eny anivon’ny faritr’ala 30. Napetraka tamin’ireo toerana ireo ny fandrika fijerena ny karazam-biby any anaty ala, misy ny fandrika feo, ny sary ary ny fandrika bibikely. Nangonina ireo antontan-kevitra azo nandritra ny dimy […]

Basikety-Tanà Ville: Maro ny famaranana amin’ny faran’ny herinandro

Efa manomboka miroso any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana eo anivon’ny seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Raha ny fandaharam-potoana amin’ny faran’ity herinandro ity, hisy lalao famaranana maro hitranga. Eo amin’ny sokajy N1B, hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny NBE. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny […]