Taratra

“Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara

Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Mala­gasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Mada­gasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny […]

Cité des Cultures: nahaliana ny mpanatrika ny «Sabotsy … Hizara Kanto »

Hetsika vaovao, anisan’ny tsara ho an’ny mpisehatra eo anivon’ny zavakanto rehetra ny « Sabotsy… Hizara kanto ». Hitohy ary hifantoka amin’ireo lohahevitra mamoaka ny mararin’ny zavakanto ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cité des Cultures An­tani­na­renina, ny « Sabotsy… Hizara Kanto ». Hetsika ahitana velakevitra sy valandresaka […]

Voatery mampihatra ny atao hoe « vary tomboka », ny tantsaha mpampihatra ny vakiambiaty aty afovoantany amin’izao tsy fisian’ny ranonorana izao. Nambaran’izy ireo, fa fotoana tokony efa fanetsana na famafazana ketsa izao fiandohan’ny janoary izao, raha ny fanao isan-taona. Hany vahaolana, ny fandatsahana ny vary akotry avy hatrany amin’ny tanimbary, […]

Fodiana an-tanindrazana: azo atao ny tsy mandoa haba

Mampahafantatra sady mampahatsiahy ny Fitantanana foibe ny ladoany (DGD), fa afaka tsy mandoa haban-tseranana ireo entana fampiasa ao an-tokantrano, ho an’ny olona hifindra monina tanteraka aty Madagasikara. Anisan’ny fepetra takina ny nipetrahana tany ivelany herintaona fara fahakeliny. Efa nampiasaina herintaona fara fahakeliny ho an’ny entana manokana. Mahakasika ny fiarakodia, efa […]

Fampiharana ny tena vidiny: tsy tokony hihoatra ny 5 100 Ar ny litatry ny gazoala

Nankatoavin’ny Tahi­rimbola iraisampirenena (FMI) ny famatsiam-bola anankiroa ho an’i Madagasikara, ny 19 jolay 2024. Mitentina 337 tapitrisa dolara ny voalohany, ho an’ny Findramam-bola nohamoraina (Fec), raha 321 tapitrisa dolara ao anatin’ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fio­van’ny toetr’andro (FRD) ny faharoa. Raha ny tatitry ny FMI, ny oktobra 2024, maromaro […]