Taratra

Fitantanam-bolam-panjakana: tafapetraka ny vovonana handrindrana ny famatsiam-bola

Tsy afa-misaraka amin’ny niomerika ny fitantanan-draharaham-panjakana mba hanamorana ny fikirikirana samihafa sy hampangarahara ny fitantanana. Antony nametrahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef) tetikasa fampandehanan-draharaha ny sehatra famatsiam-bola ivelany. Fitaovana entina hanavaozana ny fitantanana ny famatsiam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny tetikasa. « Tanjona ny hiantohana ny fampiasam-bola mahomby amin’ireo […]

Vaovao tambatra

Mila mitandrina ny rehetra amin’ny fihinanana hazandranomasina amin’izao fiakaran’ny hafanana izao. Misy ny petadrindrina ataon’ny fanjakana, milaza ireo karazana hazandrano tsy azo hohanina, mba hisorohana ny loza aterak’izany (Icam). Satria miakatra izaitsizy ny hafanan’ny ranomasina, miantoka ny 80%-n’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Niakatra ny haavon’ny reniranon’Ifasy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, […]

Fiovan’ny toetr’andro: ho mafy ny fiantraikan’ny loza voajanahary

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, manodidina ny 1,2 miliara ny olona ho tratry ny ambana amin’ny loza voajanahary tena mafy maneran-tany. Ao anatin’izany ny hisian’ny tondradrano, ny hafanana tafahoatra sy ny haintany, ny rivodoza, sns. Any amin’ny firenena mahantra daholo ny ankamaroan’ireo olona ireo, toa an’i Mada­gasikara. Ho an’ny […]

Mandrora miantsilany: ny olombelona ihany no mampiova ny toetr’andro

Mahafantatra ny rehetra fa ny asa ataon’ny olombelona ihany no mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny fandoroana ala sy tanety, ohatra. Anisan’ny fiantraikany hita maso ny tsy firotsahan’ny orana iaraha-mahita. Mirongatra hatrany ny fandoroana ala eto amintsika, ankehitriny. Vao farany izao, may ny ala arovana any Mandena, Taolagnaro. Rakotra afo […]

Taratry ny kanto

 Misedra olana ireo mpanao asa Tanana, amin’izao. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny akora fototra ahafahana manao ny asa. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra momba izany. Olan’ny mpanao asa tanana koa ny tsy fahampian’ny fahefa-mividin’ny Malagasy.  Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fampianarana zavakanto. Samy nampitombo ny taranja (zavakanto) ianarana ao […]