Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanafihana nitranga tao amin’ny tokantranon’ny vadin’ny minisitry ny Serasera teo aloha, omaly hariva, teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Niantso vonjy io lehilahy io fa misy olona mikasa hiditra an-keriny tao an-tranony. Nanakana ireto farany tsy hiditra ny efitrano ny lasibatra. Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR sy ny CSP1 teo […]
Taratra
Bala tetsy Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana lalina
Bala iray fampiasa amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny savorovoro, tetsy Mahamasina, omaly. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Karohina ny tompon’antoka nitondra ny fitaovam-piadiana ka nahatonga ny bala tena izy iray nilatsaka teny Mahamasina, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, omaly. Nandritra ny sakoroka nifandonan’izy ireo sy ny […]
Zoma.mg : tsena niomerika vaovao omen’ny Telma
Manamafy ny fahavononany hanatsara ny tolotra ho an’ny mpanjifany ny Telma. Anisan’izany ny fiaraha-miasany sy ny Zoma.mg, nomena ny lohahevitra «Black November». Ahitana ny tolotra samihafa mivantana amin’ny alalan’ny tsena niomerika «Marketplace Zoma.mg». Tanjona ny hanatsarana sy hanakaikezana hatrany ny mpanjifa, tsy andaniana fotoana sy ny fivezivezena. Hita ao anatin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Maromaro ny lalana harenina, ka namoahan’ny fanjakana tetibola. Hamboarina ny lavaka any amin’ny RN4, ny RN6, ny RN7, ny RN34, ny RN27, ny RN18, ny RN15, ny RN25, ny RN3A sy RN3B, ny RN41, ny RN20, ny RN12, ny lalana Ambatry-Fotadrevo-Bekily. Hokojakojaina koa ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mananjary sy i […]
Fampiroboroboana ny jono : miara-miasa ny MPEB sy ny WWF
Vita omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny WWF ho fampiroboroboana ny jono madinika. Hetsika ho fanohizana ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fanakalozana sy ny fanangonana ireo antontanisa marina miainga avy eny ifotony mahakasika ny jono madinika eto Madagasikara. Nanao izany […]




