Taratra

Misaona ny sarimihetsika malagasy: nodimandry Razafindranivo Serge na i « Lezily »

Ny sabotsy 4 janoary teo, nindaosin’ny fahafatesana Ra­zafindranivo Serge Anto­nio, fantatra teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, tamin’ny anarana « Lezily ». Manava­nana azy ilay fihetsika sy fiteny mahatsikaiky. Sarimihe­tsika anisan’ny nahafantarana an’i Lezily ny « R’izy mianakavy ». Nanapa-tsinay olona maro ny fandraisany anjara sy Ikala Berta, tao anatin’io tantara io. Hain’i Lezily tokoa ny […]

Johanesa Dalhy: “Ilain’ny fiarahamonina sy ny firenena ny fisian’ny mpanoratra”

Sady manabe no mianatra rehefa eo amin’ny sehatry ny asa soratra, indrindra amin’ny maha zavakanto azy. Mahavelombolo ny mahita ny tanora liana sy mirotsaka amin’ny sehatra sahala amin’izao. Randrianirina Johanesa Albert, fantatra amin’ny anarana maha mpanoratra azy hoe “Dalhy”. Mala­gasy mpanakanto niditra teo amin’ny sehatry ny asa soratra nanomboka ny […]

Faritra Atsinanana: nitotongana ny tontolon’ny baolina kitra

Mihamihena sy mitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsi­nanana, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny tsy fahampiana sy ny faharatsian’ny kianja filalaovam-baolina. Misy voka-dratsy goavana any amin’ny mpilalao sy ireo tanora maniry ny hivoatra eo amin’io sehatra io izany. Nitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any […]

Fantina sy fintina

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny diplomasia parlemantera ataon’ny avy eo anivon’ny Antenimie­ran­doholona. Nisy ny fivahinianana nataon’ny loholona Ndremanjary Jean André, tany Montpellier. Tao anatin’ izany no nitadiavana fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha niampangana an’i Jean Luce Andriamihoatra, teknisianin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Voampanga ho niditra […]

Fahatongavan-tsaina

Mahavalalanina ny fiarahamonina misy ny Malagasy amin’ izao fotoana izao. Izay jerena sy lalovana dia maizina, na ara-bakiteny na ara-keviny… Mahantra sy fadiranovana ny isan-tokantrano. Mitrongy vao homana ny ankamaroany. Bokan-trosa ny maro anisa. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. Fadiranovana ny isam-baravarana, olom-bitsy no migoka ny tombontsoa. […]