Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Efa nigadona, omaly, teny Ivato avokoa ny delegasionin’ireo firenena telo mandray anjara amin’ny «Can 2024», taranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy. Tsiahivina fa hatao manomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ity fifaninanana Afrikanina ity. Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny Ambohimanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]

«Ligue des Champions» : ratsy toerana ny Paris Saint-Germain

Tapitra, afakomaly, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Europa, “Ligue des champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Saro­tsarotra ny hiakaran’ny Paris Saint Germain (PSG), amin’ny dingana manaraka. Lavon’ny Dort­mund Allemagne, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny alarobia lasa teo, tany Iduna Park Allemagne. Mbola tsy […]

Rakotobe Kristina : hilalao amin’ny klioba D1 any Amerika

Rakotobe Kristina, vehivavy mpilalao basikety, no mety ho Malagasy voalohany hilalao amin’ny divizionina ambony, D1, any Amerika. Araka ny vaovao navoakany tao amin’ny pejiny, omaly, nahazo tolotra hifindra ao amin’ny UNC Greensboro Spartans ny tenany, amin’izao fotoana. Araka ny fikarohana natao, handray 19 taona amin’ity volana ity i Kristina, mirefy […]