Taratra

Beach Soccer – “Festival Mazavaloha” : hahazo volabe izay mivoaka mpandresy

Afaka andro vitsy, hiatrika lalao Beach Soccer indray ny mpankafy baolina kitra malagasy. Natao hamerenana ny lazan’ity taranja ity eto an-toerana izany fifaninanana izany. Hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny Barea. Hotanterahina any An­talaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra amin’ny torapasika, […]

Fanabeazana ara-politika : ambany ny tahan’ny vehivavy manao politika eto Madagasikara

Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny lafiny fitantanana ny ra­hahara politika eto Madagasikara, raha oharina amin’ ny lehilahy. Hita ho niakatra kely kosa izany tato anatin’ ny 10 taona lasa. Mbola mijanona ho ambany ihany iza­ny, raha ny zava-misy an­kehi­triny. Manodidina ny 6 hatramin’ny 9% eo ny ta­ham-pandraisan’anjaran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Mikarakara hetsika ny OJM hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, anio. Anisan’izany ny etsy amin’ny tsangambato Analakely, ny adihevitra eny amin’ny Havoria Anosy ary koa ny fizarana valisoa tamin’ny fifaninanana “Grand prix Malina”. Eo koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy korana, rahampitso. Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana, […]

Raharaham-pirenena : hivory haka fanapahan-kevitra ny FFKM

Hivory ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM amin’ity volana mey ity. Anisan’ny hodini­hin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ankapobeny. Tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana. Tombanana ane­fa fa tsy ho aorian’ny Pan­tekoty izany satria hamoaka ny hafatra, tahaka ny mahazatra […]

Fahafahana mitaky adidy

  Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika anio, fahatelon’ny volana mey. Ny taona 1993 no nankatoavin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana izany. Ho fanamafisana ny tolokevitra avy amin’ny fihaonambe faha-26 ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fanabeazana sy ny siansa, ary ny kolontsaina na ny Unesco, natao ny […]