Naiditra am-ponja eny Antanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sakelika fahefatra (BC4) teny Andravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no […]
Taratra
Fakana an-keriny: efa-dahy voasambotra ny zandary
Mpiray tsikombakomba efa-dahy tamin’ny mpaka an-keriny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’io tanàna io, ny 4 febroary teo. Nanao ny fanadihadiana lalina sy nikaroka ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’io. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ireto farany. Voasaringotra ny tompon’ny tanàna nieran’ny dahalo. […]
Andoharanofotsy: lehilahy nikasa hangala-jaza voasambotra
Nilaza ho voakarana 300 000 Ar ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza. Nifanjehan’ny fokonolona tao Bongatsara izy ka tratra, afakomaly. Nosamborin’ny fokonolona ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza tao Ambodivoina, fokontany Antsahabe, kaominina Bongatsara, afakomaly. Niara-nilalao tamin’ny namany ilay zazavavy. Nanatona azy io lehilahy io ka nanambitamby azy. Nanaiky hanara-dia io olon-tsy fantatra […]
Toamasina : vary simba sy lo nisy nandoatra
Miteraka resabe ilay raharaha vary simba nisy nandoatra, ao Toamasina, omaly. « Nopotehina sy nariana teny amina toerana fitobiam-pako eny Antsarimasina ny alatsinainy teo ireo vary ireo rehefa voamarina fa simba ka tsy azo hanina intsony. Nangadiana tany izany ka nafangaro tamin’ny fotaka sy nototofana fako », hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nidina ho 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, izany hoe, 800 Ar ny kapoaka. Mahatonga izany ny fiakaran’ny vokatra vakiambiaty tsikelikely, sady manomboka maina ny lalana any ambanivohitra sy ny toerana voka-bary. Nilaza ny mpamongady fa hitohy io fihenan’ny vidim-bary eto an-toerana io. Misokatra ny […]




