VAOVAO TAMBATRA

Nidina ho 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, izany hoe, 800 Ar ny kapoaka. Mahatonga izany ny fiakaran’ny vo­katra vakiambiaty tsikelikely, sady manomboka maina ny lalana any ambanivohitra sy ny toerana voka-bary. Nilaza ny mpamongady fa hitohy io fihenan’ny vidim-bary eto an-toerana io.
Misokatra ny fifamoivoizana Vohemar-Sam­bava (RN5A). Voafetra ho an’ny fiarabe latsaky ny 5 taonina ihany anefa no mandalo eo amin’ny tetezan’i Manambery (PK 173). Vita ny sabotsy teo ny fanamafisana ny fivilian-dalana eo amin’ny fidirana amin’ity tetezana Manambery ity sy ny tetezana Mina, Ampasivelo (PK 207+500).
Hovaina ny rafitra ara-tsakafo eto Madaga­sikara. Misy ny atrikasa hanangonana ny tolo-kevitra samihafa mialoha ny hamoahana ny drafitrasa hanatanterahina azy. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana ity fandaharanasa ity, tohanan’ny mpandrindra ny Firenena mikambana eto Mada­ga­sikara.
Voatendry ho talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, faritra Atsinanana, Randriamaniraka Clément, mandimby an’i Gilbert Sylvie. Natao ny 15 avrily, tany Toamasina, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Nanatrika ny fotoana ny prefe an’
i Toamasina, ny governora Atsinanana, ny SG-n’ny mi­nisitera ary olo-manankaja maro.

Partager sur: