Toamasina : vary simba sy lo nisy nandoatra

Miteraka resabe ilay raharaha vary simba nisy nandoatra, ao Toamasina, omaly. « Nopotehina sy nariana teny amina toerana fitobiam-pako eny Antsarimasina ny alatsinainy teo ireo vary ireo rehefa voamarina fa simba ka tsy azo hanina intsony. Nangadiana tany izany ka nafangaro ta­min’ny fotaka sy nototofana fako », hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) ao Atsinanana. Na­natrika izany ny eo anivon’ny OMC, notarihin’ny tonia mpam­panoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny zandary ary ny polisy. Ny alin’io, nisy andian’olona nangady ireo fako ary nikasa haka ireo vary nalevina, araka ny fanazavana voaray. Niverina vonjimaika teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka nandroaka ireo olona voalaza fa mpitsindroka fako ireo. « Tsy mbola nahazo na inona na inona ireto farany », hoy ny zandarimaria ao Toamasina. Vokany, nandrarahana fako indray ny toerana hisorohana ny loza mety hitranga. Miam­bina izany ihany koa ireo mpitandro filaminana.
Saika hamidy

Avy any Pakistan ireto vary milanja 124 taonina ireto. Tonga tao Toamasina vao haingana ka nanaovana fitiliana. Voamarina fa simba ireto vokatra saingy mbola nokasaina ho diovina ihany, hoy ha­trany ny DRIC Atsinanana. Ni­sokatra ny fanadihadiana ka voasambotra ny herinandro teo ny lehilahy teratany vahiny voalaza fa tompon’ireto vary samba ireto. Niakatra fampanoavana ny zoma teo ny tenany ka naiditra vonjimaika am-ponja ao Toamasina. Noza­raina roa kosa ireo gonim-bary ka ny 60 taonina nopotehina sy nariana tao Antsarimasina raha nariana tao Barikadimy kosa ny 64 taonina hafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: