Taratra

Fandraisam-bahiny sy fizahantany: afaka miofana any Maorisy ny Malagasy

Mivoatra ny tontolon’ny fiofanana ho an’ny fandraisam-bahiny sy fizahantany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoeram-panofanana maorisianina. Afaka mandefa tanora any amin’ny ivontoeram-pampifonana ma­na­ra-penitra amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany atsy amin’ny Nosy Maorisy i Mada­gasikara. No­tan­terahina, ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana, ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny […]

FEPA andiany faha-16: hisongadina ny sehatry ny fiompiana

Tomombana avokoa ny fikarakarana ho an’ny hetsika “Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, (FEPA)” andiany faha-16, hatao ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnels de l’élévage (MPE) Nanisana. Ho hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. […]

Filàna andavanandro: hatsangana ny lalàn’ny famokaram-bary

Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra manoloana ny tsenan’ny vary eto amintsika. Hapetraka anaty didim-pitondrana ireo fepetra hiasan’ireo mpanangona sy mpivaro-bary akotry sy fotsim-bary vokarina eto an-toerana. Hofa­ritana ihany koa ny lalàn’ny fitsinjarana sy ny fivezivezen’ny vokatra ary koa ny fitsipika mifehy ny fitehirizana. Atao izany mba […]

3P: hisy ny dinika iarahana

Mitohy hatrany ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) tamin’ny Filoham-pirenena, ny zoma teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Teboka dimy mandrafitra ny ho avin’ny ny sehatra tsy miankina no noresahana tamin’izany. […]

Akon’ny Tsena iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM): hanovana ny fampandrosoanan’ny fitaterana sy ny toekarena

Nivondrona tamina toerana iray nandritra ny efatr’andro ireo mpisehatra eo amin’ny fitaterana eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM). Nisongadina manokana ny orinasa malagasy mpanamboatra « drone ». Tratra ny tanjona! Nifarana ny alahady teo ny Tsena­be iraisam-pirenena mom­ba ny fitaterana, ny fampitaovana ary ny fikirakirana (STLM) andiany fahatelo […]