Taratra

3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vonto­vo­rona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC. Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, […]

Rugby – “Can 2024”: hanala vela amin’ny ekipan’ i Kenya ny Makis Ladies

Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity. Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]

INDRAY MIJERY

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana amin’ ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy, hatramin’ny anio. Ho an’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa ny fampitandremana. Hahazo vahana ny varatraza ato anatin’ny roa andro manaraka. Hisy fidinana ny maripana amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany ary hisy fiakarana kosa izany amin’ny faritra avaratra andrefana sy ny faritra […]

Fandaharanasa IVLP: mendrika i Kwincy, mpiangaly Hip Hop

Voafantina handray anjara amin’ny fandaharanasa Inter­na­tional Visitor Leadership Program” (IVLP), Andrianota­hiana Lalaina (Kwincy), mpanakanto misehatra eo amin’ny tontolon’ny Hip Hop sady mpanabe. Miompana amin’ny lohahevitra “Hip Hop and Civic Engagement” ny fandaharanasa. Hitsidika an’i Washington, D.C., New York, sy North Carolina i Lalaina mandritra ny 3 herinandro. Hihaona amina mpisehatra […]

Tsy fanjarian-tsakafo : feno 10 taona ny Vovonana Hina

Teraka taorian’ny nametrahana ny hetsika “Scaling Up Nutrition” (SUN) ny vovonan’ny firaisamonina sivily misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo, ka iray amin’ireny ny Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina). “10 taona no nijoroany amin’ny fanaovana haitaky hanatsarana ny politikam-panjakana amin’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Faniry Hantarinivo. Nahafahana […]