“Ny vovonana nasionaly Ifi tarihin’ny filoha mpanorina, Ramanambitana Richard, dia manohana tsy misy fepetra ireo kandidà depiote atolotry ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), nahazo fankatoavana avy amin’ny birao foibe Arena ary neken’ny filoha Andry Rajoelina”. Io ny fanambaran’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), […]
Taratra
Maman Beby Idà : nodimandry teo amin’ny faha-100 taonany
Ny alarobia 10 avrily 2024, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, no nodimandry i Maman Beby Idà, izay olona nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny finoana sy fiarahamonina nisy azy. Hafatra farany napetrany ny hoe: “tsy misy atahorana ny miaraka amin’i Jesosy”. Tsy vitsy ireo olona nahafantatra […]
INDRAY MIJERY
Nifampiarahaba ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Syndpers), ny faran’ny herinandro teo. Nanamarihana ny fiarahamonina mirindra ihany koa ny fihaonana. Tanjona ny hisian’ny firaisankina sy hampandroso miaraka ny firenena. Manoloana ny loza voajanahary mateti-pitranga any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny […]
Moramanga : tafapetraka ny oniversite vaovao
Tombony ho an’ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana ambony ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny nametrahana ny oniversite vaovao amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ambohibary. Napetraka ny faran’ny herinandro teo izany. Mifandray amin’ny oniversiten’i Toamasina ity vao natsangana ao Moramanga ity. Misy sampam-pampianarana momba ny tontolo iainana, dokotera ary anthropolojia ao Moramanga. Nampahafantarina nandritra ny […]
Morondava: hofanina ireo voafonja
Nitsidika ny fonjaben’i Morondava ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy ny 33, lehilahy ny 612 ary ankizy tsy ampy taona ny 6 amin’ireo mifonja ao an-toerana. Fanomezan-danja ny maha olona, izay andry voalohan’ny Politikam-panjakana ankehitriny no atao. Ao anatin’izany ny fandraharahana ny fonja, dia […]




