Taratra

Sombim-baovao

Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao […]

Kianja Barea Mahamasina: misy fepetra takin’ny Caf

Taorian’ny fitsirihana na­taon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery […]

Tetikasan’ny FMF : havaozina ny ivontoerana eny Carion

Nandritra ireo telo andro nandalovan’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, teto Madagasikara, nitsidika ny ivontoerana nasionaly eny Carion ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, Malagasy miasa ao amin’ny Fifa. Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, ny fivoriambe ara-potoana (AG O) voalohany, izay nokarakarain’ny Federasiona […]

TARATRY ny KANTO

Hotsaroana rahampitso ny faha-202 taona nahafatesan’ny Printsy Ratsintantanina. Hisy lanonana hiendrika fampahafantarana ny «tetikasan-kolontsaina marolafy Ratsintantanina», etsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, anio. Hisy velakevitra sy fampirantiana manomboka amin’ny 10 ora maraina, ka mpikaroka sy mpandalina maro, Malagasy sy vahiny, no hifarimbona amin’izany. Nidina tany Belo Tsiribihina, misy ny fianakavian’ny Ampanjaka […]

Bokim-panabeazana: miavaka ny «A quoi ça sert les filles ?»

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny trano fivarotam-boky “Milles feuil­les» Behoririka, ny fampahafantarana ny boky «A quoi ça sert les filles ?» sy ny «La Virgule rebelle». Bokim-panabeazana izy ireto, anisan’ny nataon’ny mpanoratra hifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny zava-misy iainan’ ny ankizy sy ny mpianatra […]