Taratra

Hevitra no ampiadiana

  Fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Fampielezana hevitra fa tsy vola, zavatra, fampisehoana… Hevitra izany no miady sy ampiadiana. Mby aiza? Raha ny marina efa tokony hiditra lalina amin’izany ireo mpirotsa-kofidina ny amin’izay antony irotsahany, izay karazana tolo-dalàna harosony, izay handreseny lahatra ny fahefana mpanatanteraka amin’izay asa andrasan’ny vahoaka aminy… […]

Fifidianana depiote: maherin’ny 40 ireo dosien’ ny kandidà tsy ara-dalàna

Maromaro ireo tsy nahafeno ny fepetra. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa misy ireo kandidà tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy firotsahany. Mbola manana fe-potoana hatramin’ny anio anefa izy ireo. Miisa 46 ireo dosie an’ireo kandidà tsy ara-dalàna manerana ny Nosy, voarain’ny eo anivon’ny Ceni hatramin’ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nahaloa ilay anto-bola […]

TSELATRA

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny Ando­haranofotsy, ny sabotsy hariva teo. Fiarabe mpitatitra entana no tapaka hisatra raha iny hidina amin’ny lalana Malaza ho any Andoharanofotsy ampitan’ny CSB II iny. Ankizikely iray voafaoka ka naratra mafy. Tsy vitan’izay fa nanitsy tany amin’ny sisin’arabe ilay fiara ka nifatratra tamina tranon’olona iray amin’ny sisin-dalana.