Taratra

RMDM : “Aoka hadio ny lisi-pifidianana”

“Mba miangavy re: ataovy madio ny lisi-pifidianana, ary aoka tsy hisy hosoka. Raha misy hosoka hita, ho feno hosokosoka avokoa isika rehetra ary hifanosokosoka eto”. Io ny fanehoam-pijerin’ ny avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), ny pasitera Edouard Tsarahame, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly, ny amin’izao fiatrehana […]

Antenimiera : hisy ny fivorian’ ny depiote

Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hatao. “Tsy maintsy hisy ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na ho ara-potoana io na tsia satria mbola handalo hodinihin’ireo solombavambahoaka amperinasa ny momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR)”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tokony hanomboka ny 8 mey izao izany fivoriana izany nefa mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ny […]

Nilatsaka ny didim-pitsarana ho an’ny CUA : miato ny fitangosana Ticket eny amin’ny mpivarotra

Nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravololomanana Lalatiana, omaly, tetsy Analakely, fa niakatra teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (TA) ny fitoriana napetrany. Nivoaka ny didy afakomaly. “Nandresy isika. Miato ny fakana tapakila haban-tsena amin’ ireo mpivarotra eto Anta­na­narivo Renivohitra, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Tsy mandoa vola amin’ny tapakila intsony […]

Fako miparitaka: nodiovina ny faritry ny oniversiten’ Antananarivo

Nodiovina avokoa ny faritry ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Niara-niasa nanatanteraka izany ireo fikambanana Good Deeds Day Analamanga sy ny fikambanan’ny mpianatra teny an-toerana. Notoloran’ny fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo fitaovana ihany koa ny oniversite nandritra izany, mba hanadiovana ny faritry ny anjerimanontolo. Tanjona ny hanatsarana sy hanajana ny fahadiovan’ny faritry ny sekoly. Afaka […]

Mesupres: nisongadina ny vokatra tao anatin’ny 100 andro

Nanao tatitry ny asa vita tao anatin’ny 100 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fi­karohana siantifika, araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena. Tanjona ny hametrahana fampianarana tsara kalitao. Na­tsangana ny oniversite manara-penitra manakaiky vahoaka sy azon’ny rehetra sitrahina. Hotokanana tsy ho ela ny oniversite any amin’ny faritra Itasy sy Analanjirofo. Maro […]