Taratra

Hitondra fanatsarana : notombanana ny tolo­tra eny amin’ny CSB II

Notilina ny fahazoan’ny olona misitraka tolotra fahasalamana eny amin’ny CSB II miisa 16, anatin’ny faritra valo (roa isaky ny faritra), ny taona 2023. Mba hanatsarana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony ka handraisan’ny fanjakana ny andraikiny hisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny tanora tolotra feno manana kalitao no antony. […]

Tsy fahampian’ny torohay ho an’ny daholobe: miezaka manangona sy mizara ny tsara ho fantatra ny Ivotoro

Iankinan’ny fanamorana ny fanaovan-taratasy eny amin’ny biraom-panjakana ny fisian’ny torohay ho an’ny daholobe, tsotra sy mora raisina. Mbola lesoka anefa izany eto Madagasikara. Manao ezaka ny Ivotoro mampahafantatra ireo manan-draharaha. Mbola olana eto Mada­ga­sikara ny tsy fahampian’ny torohay ho an’ny daholobe eny amin’ny sampandraharaham-panjakana. Miteraka fisalasalana eo amin’ireo olona mila raharaha eny […]

INDRAY MIJERY

Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afo­voany atsinanan’ny Nosy, vokatry ny alondrano avy any atsimo. Nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy, eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana, ny fampitandremana ary hipaka hatrany Toamasina izany. Nandray ny solotenan’ny Agence française de développement miasa eto […]

Tetikasa Mavitrika Mianatra: mpianatra 80 000 hahazo sakafo

Natomboka tamin’ity herinandro ity, tao Farafangana, ny tetikasa “McGovern-Dole Food for Education Project” Mavitrika Mianatra (MaMi), izay iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fikambanana Catholic Re­lief Services (CRS). Tetikasa vatsian’ny Departemantan’ny fambolena avy any Etazonia na United States Departement Agriculture (USDA) vola ao anatin’ny dimy taona. Niso­lotena ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena tany an-toerana ny […]

Herinandron’ny infirmiera : hitondrana tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny olona 1 500

Nisy vokany ny fanentanana nataon’ny Hola­fitry ny infirmiera eto Madagasikara, nitombo ny isan’ireo nisoratra anarana anatin’ny rejisitra. Hanatanterahana ny hetsika maimaimpoana ho an’ireo sahirana ny infirmiera mandritra ny Herinandron’ny infirmiera. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 12 mey ho avy izao ny “Heri­nandron’ny infirmiera” eto amintsika. “Nisafidy ny faritra Atsinanana ny Holafitra […]