Taratra

Kick-Boxing : hatao any Fianarantsoa ny ady goavana

Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny fiandohan’ny taom-pikatrohana, hisy ny ady goavana “Grand combat de défi”, taranja kick-boxing. Fifaninanana natokana ho an’ny Malagasy mpikatroka manerana ny Nosy, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny kick-Boxing. Ny K-1 Rules no hifaninanana mandritra izany. Amin’ny maha ady goavana azy, handray anjara daholo ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa […]

Kitra – Mondial 2026: tsy nahazo ny fankatoavan’ny Caf ny kianja Barea

Nesorin’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) tsy ho anisan’ireo kianja mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja Barea Mahamasina. Tsy hatao eto Madagasikara ny fihaonan’ny Barea amin’i Comores sy i Mali. Tsy afaka handray ireo lalao roa hihaonan’i Ma­da­gasikara amin’i Co­mores sy i Mali, amin’ny volana jona ho avy izao ny kianja […]

Herisetra an-tsekoly : mitarika ratram-po ho an’ny mpianatra

Efa mahazo va­hana eny anivon’ ny sekoly ny kar­azana famoretana na herisetra amin’ny endriny maro. Mifototra amin’ny karazana fampitahorana sy fanjakazakana amin’ny endriny maro samihafa io herisetra io. Mi­tarika ratram-po lalina ho an’ny lasibatra izany. 700 000 ireo mpianatra iharan’ny herisetra an-tsekoly amin’izao fotoana, raha ny antontanisa navoakan’ny Uni­cef. Hita […]

FANTINA sy FINTINA

Kandidà tokana hofidina depiote ao Vohibato ny solombavambahoaka amperinasa, Rivotiana Jean Bosco. Efa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ny ila tongony raha tsy misy ny fiovana. Nambarany fa hanao ny fampielezan-kevitra hatrany ny tenany. Tsiahivina fa efa minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana izy talohan’ny janoary lasa teo. Betsaka loatra […]

FITORIAN’NY KANDIDA : Fe-potoana farany ny 15 avrily

Raha ny tokony ho izy, araka ny tetiandro napetraky ny Ceni, efa nanao peta-drindrina ny lisitry ny kandidà nekena ny firotsahan-kofidiny eo anivon’ny distrika tsirairay manerana an’i Madagasikara ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana (Ovec) tamin’ny 9 avrily lasa teo. Amin’izany, nomena ny taratasy fanamarinana ny nandraisana ny […]