Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza tao anatin’ny telo andro. Zaza iray enin-taona maty tsy tra-drano, omaly. Zazavavy kely enin-taona maty voafaokan’ny taksiborosy tao Ambalafary, RN32, 10 km avaratra andrefan’i Mandritsara, omaly maraina. “Nandeha tamin’ny toerana misy tsena ka niampita tampoka ilay zaza”, hoy ny loharanom-boavao any an-toerana. Tamin’io fotoana […]
Taratra
Atletisma – «Afrique 2024»: hofantenana izay ho any Cameroun
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifantenana izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma sokajy «sénior», lahy sy vavy. Fihaonana hotanterahina any Douala Cameroun, ny 15 – 25 jona ho avy izao. Araka ny tapaka teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), […]
SOMBIM-BAOVAO
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha, ny fifaninanana “All Step” natokana ho an’ny Lycée, karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety. Nitohy ihany koa ny lalao nihaonan’ny LMA sy ny SFXA, vehivavy, ary ny LMA sy ny LAA, lehilahy. Miatrika fiofanana sy fanazaran-tena matihanina any Budapest, amin’izao fotoana, ny […]
LALAO iraisam-pirenena : miandry ny minisitera ny atleta
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao olympika amin’izao ny atleta malagasy voakasik’izany. Misy ireo mbola mila miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maromaro vao afaka hahazo ny tapakila ho amin’izany. Ho an’ny taranja Judo manokana, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 24 avrily izao, ireo judokas malagasy, anisan’ izany, Rasoanaivo […]
Baolina kitra: miandry ny fankatoavan’ny CAF ny kianja Barea Mahamasina
Eo am-piandrasana ny valin’ny fitsirihana nataon’ny iraky ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (CAF) ny kianjaben’i Mahamasina ny Federasiona malagasy (FMF). Madagasikara izay hampiantrano an’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao. Tontosa ny zoma 5 avrily lasa teo, ny fitsirihana ny kianjaben’i Mahamasina nataon’i Josua Andries Hoebeb, […]




