Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ ny Ovec Ambohidratrimo,, omaly ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny. Milatsaka amin’ny anaran’ny Plateforme Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ny tenany. 5 taona no vita, nahafahana nijery sy niara-niasa tamin’ny ambaratongam-pitondrana indrindra nifaneraserana tamin’ny vahoaka. Nisaotra ny filoha Andry Rajoelina sy ny birao politika nasionaly […]
Taratra
Distrikan’i Betroka: mitady olom-baovao ho depiote
Kandidà telo no nametraka ny taratasy filatsahany ho fidina ao amin’ny distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Anisan’ izany ny solombavambahoaka amperinasa, Randrianasolo Nicolas. Ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana, tarihin’ny kandidà Razafindrahera Henrilly Odestin, izay miaraka amin’ny ben’ny Tanàna amperinasa. Anisan’ny olom-baovao kosa, handrasan’ny mponina ny tsy miankina, Andrialemirovason Moëz […]
Andron’ny Zandarimaria : niavaka ny fankalazana teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Toy ny fanao isan-taona! Notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fankalazana ny Andron’ny zandarimariam-pirenena. Nanamafy ny minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andry, fa tsy afa-mandeha irery intsony fa tsy maintsy miaraka ny zandary sy ny polisy ary ny Tafika Niavaka! Izay no azo ilazana ny […]
INDRAY MIJERY
Laharam-pahamehana tamin’ny famindrana toerana ny mpiasa ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona ity ny fijerena manokana ny filana eny anivon’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy sy ny sampandraharaham-paritra. Nojerena koa ireo fangatahana fiovan-toerana nataon’ny mpampianatra sy mpandraharaha raha mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery sy ny naoty manokana mifehy ny famindran-toeran’ny mpiasa. Diso […]
Tetikasa e-Fokontany-Ambohidratrimo : mandeha ny fanisam-bahoaka isan-tokantrano
Nanomboka omaly ny fitetezan-trano ataon’ireo tanora an-jatony ao amin’ny kaominina Ivato, manatanteraka ny tetikasa e-Fokontany. Ny minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, miaraka amin’ny kaominina Ivato, no manatanteraka ny fanisam-bahoaka manerana ny fokontany 13 ao an-toerana. Ho fanatanterahana ny vina fototra 3 napetraky […]




