Taratra

Itaosy: vehivavy roa nahatrarana rongony

Mpivarotra rongony roa vavy nosamborin’ny polisy teny Itaosy nandritra ny hetsika “Sarika”, ny faran’ny herinandro teo. Nanao be midina ny polisy ka sarona teo am-pikirakirana zava-mahadomelina izy roa ireo. Efa nataony anaty fonosana 42 ny rongony. Ankoatra io, nahatrarana rongony tao anaty harona miisa telo koa tao amin’izy mirahavavy ireo. […]

Tsena : midina ny vidin’entana ilaina andavanandro

Tafidina hatrany amin’ny 2 500Ar ny kilaon’ny vary gasy amin’izao fotoana izao, raha 2 400Ar kosa ny se­mence sy ny varin’ Am­batolampy. Antony mahatonga izany ny fidirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fararano. Miaka-bokatra ny eto an-toerana ka hiantraika amin’ny vidin’ny vary nafarana ihany koa izany. Mitombo ny tolotra raha oharina amin’ny tinady. Manaraka vanim-potoana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 6 305 miliara Ar ireo kaonty amina banky miisa 521 nogiazan’ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (ARAI), miaraka amina fiara 93, sambo iray, trano sy tany ary fanaka 16, nandritra ny taona 2023. Nisy tamin’ireo fananana no efa natao varotra miaka-bidy ka nahazoana 399 tapitrisa Ar. Nifantoka tamin’ny fanamafisana […]

MPAMATSY VOLA : handray anjara ny firenena malagasy

Handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny 15 hatramin’ny 20 avrily, any Washington, ny firenena malagasy. Anisan’ny hanatrika ny fivoriana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola miaraka amina delegasionina maro samihafa. Laharam-pahamehana mandritra izany ny fivorian’ireo minisitera isaky ny firenena, indrindra ny minisiteran’ny Fitantanam-bola […]