Taratra

Fifandonana tamin’ny mpaka an-keriny : miaramila roa naratra, dahalo roa maty

Nifanehatra tamin’ny zandary indray ny andian-dahalo tao Ankazobe, afakomaly. Miaramila roa naratra ary dahalo roa kosa no maty. Dahalo 20 lahy eo ho eo notarihin’i Leba sy i Sa­fi­dy no nifandona tamin’ ny zandary tao amin’ny fokontany Antaniditra kaominina Antakavana distrikan’Anka­zo­be, afakomaly maraina. Fantatra fa isan’ireo dahalo raindahiny amin’ny fakana […]

Tennis Foundation Ghana J30 : tompondaka teo amin’ny vehivavy i Miotisoa

Nanakoako tatsy Afrika indray ny taranja tenisy ma­lagasy, ny sabotsy lasa teo. Lasan-dRasendra Miotisoa ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny Tennis Foundation Ghana J30, ho an’olon-tokana, vehivavy. Fihaonana notanterahina tao Accra. Resiny teo amin’ny famaranana ilay anglisy, i Tara Lawal. Seta 2 no ho 1 (6 (5) […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Nahazo fandresena dimy sy faharesena tokana izy ireo nandritra ny lalao enina nataony. Tsiahivina fa ny Fosa Junior no tompondaka farany tamin’ny taona 2023 teo. Hifanandrina rahampitso, ao anatin’ny fiadiana ny […]

Ankoay 3×3 : vonona ny haka ny tapakilan’ny JO

Ekipa malagasy anisan’ny andrandraina handray anjara amin’ny lalao olympika hatao any Paris, ny Ankoay 3×3, ta­ranja basikety. Mbola hiatrika fifaninanana hahazoana ny tapakila amin’izany anefa izy ireo. Manoloana izany, manoman-tena mafy ireo mpilalao. Nanomboka ny herinandro lasa teo, nikotrana teny Imerinkasinina ny Ankoay. Niara-nilalao sy nanao fanazaran-tena teny 67ha izy […]

Tsipy kanetibe – « Coupe de Madagascar » : nanao pao-droa ny UBM Ambohitrimanjaka

Ny ekipan’Ambohitrimanjaka, Union des boulistes Manjaka (UBM) no nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, lahy sy vavy, izay natao tany Antsirabe, ny 5 – 7 avrily lasa teo. Solontenan’ny ekipa nasionaly malagasy any Maroc ny UBM. Nifarana teny amin’ny Avenue de la Gare Antsi­rabe, afakomaly, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, […]