Taratra

Tsipy kanetibe: nanomboka omaly ny fiadiana ny amboara

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, teny amin’ny Avenue de la Gare Antsi­rabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “séniors”, lehilahy, la­laovin’olona telo. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), homena […]

Rugby – «Top 20» : hanohitra ny FTM ny TFA

Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “Top 20”. Hampiantrano izany ny kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM saingy hiezaka hanohitra ny TFA. Samy […]

Fibatana fonjamby: tsy tao anaty filaharana Andriatsitohaina Tojo

Taorian-dRandafiarison Rosina, anjaran’Andriatsitohaina Tojo indray no niditra an-tsehatra, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja fibatana fonjamby. Fifaninanana natao tany Thaïlande, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny vokatra voaray, tsy tao anaty filaharana na “non classé” i An­dria­tsitohaina Tojo. Mala­ga­sy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 73 kg. Araka […]

Hanatsarana ny fahasalamana: nahazo fitaovana ara-teknika avy amin’i Japon ny IFIRP

Nanolotra fitaovana ara-teknika ho an’ny Instituts de formation interrégionaux des paramédicaux (IFIRP) ny ma­soivohon’i Japon, omaly. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana sy fampivoarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara izany. Tetikasa vatsian’ny Fonds de contre-valeur Japo­naise. Haparitaka amin’ireo ivontoerana enina manerana ny Nosy ireo fitaovana rehetra ireo. Anisan’izany, ny […]

Minisiteran’ny Mponina: manasongadina ny tantaram-pahombiazana ireo fikambanana

Efa hita ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny minisiteran’ny Mponina ireo horonantsary mirakitra tantaram-pa­hombiazana hanaovan’ireo ve­hivavy sy fikambanana fifaninanana. Efa mandeha ny fifidianana izany ka izay mendrika no hisitraka ny loka efa voafantina. 47 ireo fikambanam-behivavy na olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Horonantsary 2 minitra mitantara ny fahombiazana, ho fitaratra ho an’ny hafa […]