Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanenjehana jiolahy nataon’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina. Nifanehatra tamin’ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, sy ireo namany ny jiolahy gagilahy amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana tamin’io fotoana io. Efa namerimberina rahateo ny kaomandin’ny Fip fa tsy […]
Taratra
Rugby- “Can 2024”: Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ny Makis Ladies
Handray lalao goavana eto Afrika amin’ny taranja rugby, lalaovin’olona 15, indray i Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka ny Malagasy Rugby. Hisy ny fanamboarana ny kianja Makis Andohatapenaka. Nampahafatarina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, Rugby à 15, […]
Fito naratra teny Tsiadana: Taxi-be nifampitrongy, nivadika ny iray
Tapaka hisatra ny taxi-be an’ny zotra 119, afakomaly, teny Tsiadana. Notrongisiny ny fiaran’ny zotra 160 ka nivadika. Vokany, olona fito naratra, zazakely iray no tena voa mafy. Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona teny amin’ny fokontany Tsiadana, Afakomaly atoandro. Taxi-be roa no nifandona teny an-toerana. Nahatonga ny loza ny fahatapahana tampoka ny […]
Ceni : “Mila marina amin’ny kandidà ny Ovec”
«Ny fanajana ny fahamarinana no soatoavina mifehy antsika, fanajana ny lalàna mifehy antsika amin’ny asan’ ny Ovec tontosaintsika izany”. Io ny hafatry ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ho an’ireo mpikamban’ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec). Nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara, i […]
Asan-jiolahy : roa lahy matin’ny fitsaram-bahaoka
Maty niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo roa lahy tao Befandriana Avaratra, omaly atoandro. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra omby miharo vono olona tao amin’ny tanàna tsy lavitra an’Ankobakobaka izy ireo. Notafihin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray ary lasan’ izy ireo ny omby folo, ny herinandro lasa teo. Nofatorana ny olona sasany tamin’ireo voaroba. […]




