“Manodidina ny 3% izao ireo kandidà nanatitra ny dosieny manerana ny Nosy amin’izao efatra andro mialoha ny fe-potoana farany, ny alatsinainy izao”, hoy ny loharanom-baovao iray. Voalaza ho anton’izany ny mbola ady varotra sy fifandresen-dahatra naharitra ary koa ny paikady eo amin’ireo vovonana politika, manolotra kandidà. Tamin’ity herinandro ity vao […]
Taratra
Sangy mihoatra ny loha
Olam-piarahamonina goavana iainan’Antananarivo Renivohitra, ny mahakasika ny rano sotroina sy hidiovana. Misy ny faritra efa dimy volana tsy mahazo rano. Kinkina tanteraka ny paompy sy ny siniben-drano. Tsy misy vahaolana na vonjimaika akory avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy misy na fidinana ifotony, hijerena ny maharary ilay vahoaka. Manomboka mitroatra tsikelikely […]
Vonomoka tany Rwanda: voaasa ho any Kigali ny filoha Rajoelina Andry
Nihazo an’i Kigali, renivohitr’i Rwanda, ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ireo vahiny voaasa manokana hiatrika ny fahatsiarovana ny vonomoka tany an-toerana izy. Hotsarovana rahampitso ny faha-30 taonan’ny vonomoka natao tamin’ny foko Tutsi tany Rwanda. Maherin’ny iray tapitrisa ireo namoy ny ainy. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny firenena […]
TSELATRA
Niaiky ny heloka vitany ka notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nikasa hanolana ny zana-badiny vao 11 taona, tao Maroantsetra, afakomaly. Nanararaotra ny tsy fisian’olona tao an-trano izy. Nakariny ny feon’ny zavamaneno, saika hampihatra ny filan-dratsiny tamin’io zazavavy io izy no niditra tampoka ilay renim-pianakaviana. Voasambotry ny polisy miasa […]
Mitentina 175 tapitrisa Ar: naiditra am-ponja ireo nangalatra kofehy
Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo mpiasa tompon’antoka tamina halatra tao amina orinasa afakaba iray eny Tanjombato. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, nitrangana halatra tao amina orinasa iray teny an-toerana. Nahaverezana kofehy fanamboarana akanjo tao amin’io orinasa io. Milanja 596 kg, mitentim-bidy 175 tapitrisa Ar […]




