Taratra

Fiparitahan’ny basy : nikaondoha ireo teknisianina

Nitsangana ny vondron’ireo rantsamangaika samihafa misehatra amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana. Nisy ny fivoriana niompana tamin’izany teny Ampahibe, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Delphin, omaly. Ity vondrona ity, eo ambany fiahian’ny MFA, ahitana ireo andrimpanjakana sy ireo departemanta eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny ary ny mpivarotra basy (Neron). Toromarika […]

Fahatapahan-drano lavareny : mitroatra ny mponina!

Mampiaka-peo sy maneho ny hatezerany ny mponina eto an-dRenivohitra noho ny fahatapahan-drano tsy ahitam-bahaolana. Misy ny midina an-dalambe sy mandoro kodiarana. Miitatra isaky ny fokontany, naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny rano ny mponin’Antananarivo Reni­vohitra. Nanakan-dalana, nitsoka kiririoka ny fokonolona tetsy Ambohijatovo-Ivandry, omaly. Nidina an-dalambe, nisintona lakolosy manoloana […]

Fampahatsiahivan’ny HCC: tsy maintsy mametra-pialana ireo minisitra ho kandidà

Nampahatsiahy ny rehetra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana amin’izao hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. Misy ny fepetra sy lalàna tsy maintsy arahina ho an’ireo tomponandraikitra ambony ho kandidà. Anisan’izany ny tsy main­tsy hametrahan’ireo mpikambana eo ani­von’ny governemanta fialana raha ho kandidà izy ireo amin’ny asa maha voafidim-bahoaka. […]

INDRAY MIJERY

Ny 80% ny tanora miisa 230 nanaraka fiofanana maimaimpoana momba ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe amin’ny “Métiers du web” tao Antsirabe, no hanangana avy hatrany ny orinasany. Fantatra io nandritra ny lanona famaranana ny hetsika, ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy toerana 20 misandrahaka manerana ny Nosy ahazoana […]