Taratra

Haintrano: trano 11 kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­ha­tsiravina tao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina am­banivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenenina, ny alakamisy maraina lasa teo. Raha ny angom-baovao voaray,vokatry ny afon’afokasoka natao tamina kitay notondrahana solika fandrehitra no nahatonga ny loza. Nahazo ny rindrina falafa ilay afo ka niakatra nahazo ny tafon-trano vita amin’ny ravina. Nijoalajoala ny afo […]

Rakotra ny tany 1 Ha: nigadra ireo roa lahy namboly rongony

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny roa lahy mpamboly rongony tao amin’ ny tanànan’i Beamalombe, 30 km atsinanan’ny fokontany Doany, distrikan’Andapa ny faran’ny volana janoary teo. Naharay antso ny zandary fa mikirakira sy manaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy ireo. Nisy ny fidinana ifotony, sarona tao amin’ny toerana voatondro ny telo lahy. […]

Antetezana Afovoany: lehilahy tratra namaky toeram-pivarotana

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisari­an’Isotry (CSP4) teny Ante­tezana Afovoany ny lehilahy iray voarohirohy ho namaky to­eram-pivarotana, omaly. Na­haray fitairanana ny polisin’ny CSP4 momba ny fahavaki­san’ny toeram-pivarotana ao Antetezana Afovoany. Nana­tan­teraka fisafoana teny amin’ ny manodidina ireo polisy ka nahatsikaritra ity lehilahy ity hita fa somary hafahafa fihetsika sady […]

In.S.P.N.Mad : mahasarika ny mpianatra ny « transit et douanes »

Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Su­périeur Polytechnique des No­vateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antanana­rivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jenera­lin’ny In.S.P.N. Mad, Randria­na­rivelo Dieu­donné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia […]