Tonga eto amintsika ireo mpandraharaha Tiorka ary vonona ny handray an-tanana ireo tetikasa goavana. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavy, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaka ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana. Anisan’izany ny Tanamasoandro. Tohin’ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany Tiorkia volana vitsy lasa izao fahatongavan’ireto mpampiasa vola ireto. Niaraha-nidinika […]
Taratra
Rabevahiny Elia : “Tsy ny Malagasy no nanapoaka ny 29 marsa 47”
77 taona katroka ny “Raharaha 29 marsa 47”. Aiza ho aiza ny fahalalana sy fahatsiarovana ny tantara? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny “Raharaha 29 marsa 47”? Rabevahiny Elia (-): Toy ny isan-taona, mahatsiaro manokana ny Otrikafo… Fahatsiarovana no atao […]
Depiote Masy Goulamaly: “Tsy mbola mahaleo tena isika”
“Raha ampitahaina ny tamin’ny 29 marsa 1947 ny amin’izao, toy ny ny tamin’ny 1991, 2002, 2009… : mbola miady hatrany isika. Tsy fantatra hatramin’ izao izay iadiana hoe: mitaky fahafahana?”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Tsiombe, i Masy Goulamaly, amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Marina fa hoe […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina, rahampitso, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ao anatin’ny hetsika «Café-histoire», ny fandefasana ny sarimihetsika «Tabataba», notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ihany koa ny tafa sy dinika iarahana amin’ity mpanatontosa ity. Nandravaka ny IFM Analakely, omaly, ny sarimihetsika «Dounia et la Princesse d’Alep» sy ny «Les inséparables», tao anatin’ny […]
« Fiainana sy Fiadanana » : “Antsa Paska” hataon’ny Chorale Orimbato
Alahady 31 marsa amin’ny 3 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanatanteraka ny “Antsa Paska 2024” nampitondraina ny lohateny «Fiainana sy fiadanana» ny Chorale Orimbato. Hampahatsiahy an-kira izay nizoran’i Kristy ho famonjena ny zanakolombelona, izy ireo. Fiaraha- miasa eo amin’ity antoko mpihira ity sy ny komitin’ny EWS Foibe […]




