Taratra

Ambohimangakely: jiolahy sarona niaraka tamin’ny entana halatra

Noraisim-potsiny teny amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ny jiolahy mpamaky trano iray tetsy Ikianja, Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Teo am-piandrasana ny fiara haka azy, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray niaraka tamina entana maromaro tetsy amin’ ny fokontany Ikianja, omaly maraina. Sendra nanao fisafoana amin’ny alina ny zandary izay […]

Fiarahamonim-pirenena : miantso ny fanohanan’ireo malala-tanana…

“Efa niomana sy vonona ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izahay. Anaovana antso avo anefa ireo malala-tanana mba hanohana eo amin’ny fitaovana sy ny vola, ahafahanay manatanteraka izany”, hoy ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena, tamin’ ny alalan-dRalantosoa Flo­rence, omaly, tetsy Ampefi­loha. Nambaran’izy ireo fa nanao ny ezaka ny Ceni tamin’ny […]

Filoha voalohan’ny fitsarana tampony: “Tsy handroso sy hilamina isika raha tsy tan-dalàna…”

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy ny fitsarana ma­netriketrika, nanamarihana ny fiafaran’ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023. Noraisina tamin’izany koa ny fianianan’ ny filohan’ny fitsarana fandravana sy nametrahana azy amin’ ny toerany. Nambaran’ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rakotonavalona Ranary tamin’izany fa mametraka ny lalàna ho ambony izany fanjakana tan-dalàna izany […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara”

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nambarany tamin’izany fa mipetraka ny demokrasia eto amintsika. “Isika ihany no mahatsapa fa malalaka dia malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasi­kara. Ny mpanao politika na vondron’ny mpanao politika na vondron’ny antoko politika malalaka amin’ny fitenenana. Mampiseho izany fa mala­laka ny fanehoan-kevitra politika […]

Saika hovonoina… Notsetseman-dreniny tamin’ny tanana ny oron-janany

Noho ny fahantrany, nokasain’ny renim-pianakaviana iray  hotaperina ny ain-janany tao Morafeno-Toamasina, ny alin’ny alarobia teo. Nipetraka teo amin’ny sisin’arabe, sendra nandalo teo anoloan’ireto telo mianaka mpangataka an-dalambe ny sekretera jeneralin’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina. Tsikariny tamin’izany fa tsindrian’ilay reniny ary tereny eo amin’ny vavaorony ilay zanany lahikely. Matory eo akaikin’io ramatoa […]