Taratra

TARATRY ny KANTO

Niu Raza etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hotontosiana rahampitso indray ilay seho faharoa. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy tsy nahatratra tapakila tamin’ny seho voalohany, ny alahady teo, no antony. Tsy hitovy tanteraka ny ny endri-tseho na ny hira alahatr’i Niu Raza, araka ny efa nampanantenainy. Ny ao amin’ny «Slam Suare», fikambanana ivondronan’ireo […]

Mitohy ny fankalazana ny faha-20 taona: hanasa ireo namany an-tsehatra ny TGC

«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanan­tena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany. “TGC […]

Faribolana Sandratra : hisy ny Zarafanahy manokana

Hiavaka ny anio ! Tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ity Zarafanahy tanterahina etsy amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM-GZ) tohatohabaton’Antaninarenina ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny antsa tononkalo ka mpanoratra 17 no indray hamelona eny an-tsehatra ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Anisan’izany i Tsy Rofy, Elinivo, Fy Tsiky, Natiora […]

« Festival du film francophone »: hahazo vahana ny sanganasan’ ny tanora afrikanina

Ambohipihaonan’ny mpankafy sarimihetsika indray ny eny amin’ny IFM Analakely, mandritra ny roa andro. Hahazo tombony manokana ireo sarimihetsika novokarin’ny tanora afrikanina. Tanterahina ny 26 sy 27 avrily 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), ny «Festival du film francophone», karakarain’ny masoivohon’i Frantsa sy Canada eto Madagasikara. Araka ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy manaiky ny fitangosana Ticket amin’ireo mpivarotra Ravololomanana Lalatiana. Nambarany fa miteraka kolikoly izany ary mandrava ny ezaka efa natomboky ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsito­haina Naina. “Sakana amin’ny digitalisation” sy ny mangarahara ary ny ady amin’ny kolikoly izany”, hoy izy tetsy Analakely, omaly. Nanome toromarika ny mpanara-dia azy eo […]