Taratra

«Run and Bike» : Hatao ny 21 avrily izao ny andiany fahefatra

Hatao ny 21 avrily ho avy izao ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “RUN & BIKE”, karakarain’ny fikambanana TAO. Hotanterahina etsy Ambohibe, ao amin’ny Parking Rouge, izany. Hetsika ara-panatanjahantena ahitana hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra. Tanjona ny hanentanana ny vahoaka malagasy hanatsahatra ny fanaovana herisetra eo amin’ny ankizy tsy ampy taona. Ankizy […]

Tsiafahy: namboly hazo 1 500 fototra ny fikambanana DHEA

Maherin’ny 200 ireo mpikambana ao amin’ny DHEA tonga namboly hazo teny Tsiafahy, omaly. Sady nanohana ny voafonja rahateo izy ireo, nandritra ny fandalovany teny. Hazo fihinam-boa haingam-pitombo miisa 1 500 fototra no nambo­len’ny fikambanana’ireo ma­nam-pahaizana nivoaka avy tamin’ny Hautes Études en Administration (DHEA), Enam, omaly, teny Tsiafahy. Miara-mientana manamaitso ny […]

INDRAY MIJERY

Mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa 3 nahatanteraka ny asany no nitodidoha any Japon. Nandritra ny herintaona sy tapany ny fampitana iraka nataony teto Madagasikara. Nanampy sy nanatsara ny fiainan’ny tantsaha, ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ary ny fampiroboroboana ny harenan’ny olona, indrindra ny tanora, izy ireo. Nifampizara traikefa mahakasika ny […]

Mpanazava Analamanga Avaratra: Ampifitia ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana

Milofo hatrany amin’ny fanabeazana ny ankizivavy sy ny zatovovavy ao aminy ny sa­m­pana Mpanazava Ana­la­manga Avaratra. Manomana rindran-kira lehibe izy ireo iarahana amin’ny Ampifitia, ny alahady izao, ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana, amin’ ny 2 ora tolakandro. Tanjona ny hampandroso ha­trany ny fanabeazana ireo an­­­kizivavy sy zatovovavy be­a­zina ao amin’ny […]

Vokatra Mavitrika : Karazam-bary be otrikaina indrindra

Mavitrika! Io indray no karazam-bary vaovao ho an’ny tantsaha novolavolain’ireo mpikaroka ao amin’ny Fofifa. Sady be otrikaina no mamokatra be rehefa voakarakara ity masomboly vaovao voafantina ity. Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny voka-pikarohana Mavitrika. Karazam-bary voalohany be otrikaina sy manana tahana “zinc” ambony indrindra eto Madagasikara. […]