Taratra

Ceni – Afham… Entanina hifidy ireo olona sembana

Akaiky ny fifidianana.  Hifarana amin’ny 31 janoary izao  ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana manerana ny Nosy.  “Nentanina ho tonga hifidy sy hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana ireo olona manana fahasembanana satria olom-pirenena izy ireny”, hoy ny filohan’ny Afham (fikambanan’ny Vehivavy manana fahasembana eto Madagasikara), Razafinjato Fela. Maro ny olana […]

Manasa-dalana « Mondial Hand 2023 »… Hanala vela amin’i Soeda i Frantsa

Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana “Mondial Handball 2023” lehilahy i Frantsa.  Araka izany, hanala vela amin’i Soeda izy ireo anio, any Stockholm. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana, lavon’ny Les Bleus tamin’ny isa 35 no ho 28 i Alemaina. Fihaonana izay natao tany Pologne, ny alarobia lasa teo. I Soeda kosa […]

Fiaraha-miasa… Manohana an’i Madagasikara hatrany ny fanjakana Indianina

“Vonona hatrany izahay ny hanohana an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fiarovana an-dranomasina, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fizahantany ary ny teknolojia, toy ny fiaraha-miasa rehetra efa nisy hatramin’izay”, hoy ny masoivohon’ny Repoblika Indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu. Nandritra ny fankalazana ny faha 74 taonan’ny fetim-pirenena indianina no […]

USAID-Hay tao… Ho rakotr’ala indray i Madagasikara

“Maro ny vokatra azo tamin’ny tetikasa USAID Hay tao”, hoy ny tompon’andraikitra. Manampy an’i Madagasikara mba  hanatratra ny tanjona:  “Ho rakotr’ala indray. Nofaranana  tamin’ny fikaonandoha teo anivon’ny  mpikambana ny tetikasa USAID Hay tao, omaly. Notanterahana teny Anosy ny lanonana.  Tanjona ny hanampiana an’i Madagasikara  amin’ny  fitantanana  ny harena voajanahary  sy […]

Base Toliara… Mitaky ny mangarahara ny tanora manam-pahaizana

Anisan’ny naneho hevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara ny fikambanan’ny tanora manam-pahaizana, « Jeune cadre de Toliara » (JCT). Nilaza ny filoha lefiny, Zafera Ulrich, omaly, fa « tsy manakana ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara izahay, satria, tanjona ny hisian’ny fampandrosoana any Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana. Iaraha-mahalala fa mandalo […]