Taratra

“Hetsika 29 marsa”: adidy fampitana ny fitiavan-tanindrazana

Fampirantiana an-tsary ny tolona, fizaham-pahasala­mana an’ireo zokiolona nitolona ho an’ny tanindrazana 70 taona no ho miakatra… Ireo no na­nombohana ny fahatsiarovana ny faha-77 taon’ny 29 marsa 1947 teny amin’ny zaridainan’ Anosy, omaly. “Manana adidy hanampy hampita amin’ireo zanatsika ny tantara nisy marina ny taranaka ankehi­triny”, hoy ny tale misahana ny […]

Tsy manary toky

  Tsy voatery ho maizina foana ny fiainana eto Madaga­sikara. Raha midangana izaitsizy ny vidim-piainana, manjaka ny endri-pandikana lalàna, sehatra mahafinaritra sy mahavelombolo kosa ny tontolon’ny fanatanjahantena. Na tsy anisan’ny telo voalohany aza i Madagasikara, ohatra, any amin’ny Lalao Afrikanina, tsy mody maina toy ny taloha intsony ny Malagasy mpilalao. […]

Fiatrehana fifidianana: hisoroka ny mety ho korontana ny mpitandro filaminana

Hametraka ny fepetra rehetra iarahana miasa amin’ny governemanta sy ny mpitandro filaminana ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny hiatrehana ny fifidianana depiote. Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andria­marotafika, fa efa ma­metraka ireo lamina rehetra momba izany izy ireo izao. “Anisan’ny fepetra horaisina tahaka ny natao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny hiantsoana ireo lehiben’ny […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy 13 taona tao Ampotamandrevo, kaominiana Maroala, omaly. Nampihatra ny filan-dratsiny tamin’io zanany naterany io ilay lehilahy 48 taona ny fiantombohan’ny volana marsa teo ka voasambotra. Vehivavy nisoloky Cash point voasambotry ny mpitandro filaminana tao Voirie Antsirabe, afakomaly. Nampandre ny mpitandro filaminana […]

Ady tao anaty karaoké : tovolahy iray naratra voavelin’ny tavoahangy

Voatery nozairina mihitsy ny lohan’ilay tovolahy novelesina andian-jatovo tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany tao Salazamay Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy fantatra eo amin’ny sehatry ny fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana ity niharam-boina ity. Tratran’ny ady tambabe izy tao amina trano fisotroana malaza iray akaikin’ny hopitaly manara-penitra. Niara-nisotrosotro tamin’ny sakaizany ity […]