Taratra

Sehatry ny angovo : toeram-pitsaboana 2 274 hovatsina herinaratra

Paikady manokana hataon’ny fanjakana ny famatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana. Miisa 2 274 ny CSB I, CSB II ary hopitaly voakasik’izany, izay any ambanivohitra ny ankamaroany. Natao omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy, ny atrikasa miompana amin’ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana eto Madagasikara. Miara-misalahy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny minisiteran’ny […]

Mpanazava eto Madagasikara : mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny fa­mantarana ny toetry ny andro atao etsy amin’ny Parvis Ana­lakely, ny Mpanazava eto Madagasikara, rahampitso. Hampahafantatra ny asa ataony mahakasika izany sy ny ton­tolo iainana izy ireo. Hita­rika famelabelaran-kevitra sy hampilalao, amin’ny alalan’ny fanentanana momba ny lohahevitra: “Ny ankizivavy sy ny fiovaovan’ny […]

INDRAY MIJERY

Mba hanakarana bebe kokoa sy hiadiana amin’ny kolontsain’ny fanolanana sy ny fanolanana ataon’olom-pady eto Madagasikara, nanome fanam­piana ara-pikarohana an’ireo mpikaroka miisa enina ny Nifin’Akanga. Hatao rahampitso ny fizarana sy ny famelabelarana mahakasika izany, eny amin’ny Radisson Blu Ankorondrano. Fantatra, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa horaisin’ny fanjakana […]

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Rija, Luk ary Mahery. Angamba ity fiarahana ity no tena manamarika indrindra ny Piment Café Behoririka. Hiverina ao indray izy telo mirahalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ankoatra ireo hirany manokana, ilay mamerina hirana mpanakanto hafa no tena hanarahan’ny mpankafy ity fampiarahana talenta ity. […]