Taratra

Mahazoarivo: May ny caserne militaire EP1

Nitrangana haintrano mahatsiravina teny Mahazoarivo, omaly tolakandro. Nirehitra ny caserne militaire EP1 eny an-toerana, lalana mankany amin’ny Primatiora. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nifehy ny afo. Nanomboka tamin’ny 4 ora mahery teo ny firehetana ary tsy maty izany raha tsy tamin’ny 5 ora tany ho any. Tsy niala teny […]

Fanafihana tamin’ny kalach : tompon-trano maty novonoin’ ny jiolahy

Nopitsohin’ny jiolahy miisa 12 ny tokantrano iray ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Maty voatifitra ny lehilahy iray, nisy vaviantitra hafa naratra. Maty voatifitra teo amin’ ny tratrany ny raim-pianakaviana iray, 34 taona, monina ao amin’ny fokontany Anjezika, kaominina Mahavelona, distrika An­ka­zobe. Namoy ny ainy vokatry ny tifitr’ireo olon-dratsy izy, ny […]

Madagascar Airlines : hanampy ATR ho an’ny sidina anatiny

Tafiditra ao anatin’ny “Phé­nix 2030”, Drafi-panarenan’ny orinasa Madagascar Airlines ny fanampiana ireo fiaramanidina hiandraikitra sidina anatiny eto Madagasi­kara. Ankehitriny, fiaramanidina ATR roa sisa no miasa eo anivon’ity kaompania ity. Hisy, araka izany, ny fanampiana ATR efatra hafa hampitomboana ireo fiaramanidina hanao sidina anatiny “Ho tonga eo anelanelan’ny volana mey sy jolay […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita hatramin’ny 75% ny fotodrafitrasa hametrahana ny toerana fiompiana trondro eto amin’ny faritra Analamanga, ny any Boeny izay efa 45% ny asa no vita, raha 55% ho an’ny faritra Fitovinany ary 30% ho an’Anô­sy. Mahatratra hatrany amin’ny 20 000 ireo mpiompy trondro hisitraka mivantana ny tetikasa. Nahazo alalana hanafatra vary 50 000 […]

Rano fisotro: Fotodrafitrasa efatra any Morondava

Hankalazaina anio 22 marsa, any Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano (JME). Lohahevitra ny hoe «Rano antoky ny filaminana». Mialoha izany, notokanana omaly ny fotodrafitrasa mahakasika ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, teo ambany fiahian’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, notronin’ny minisitry ny Fanatanjahantena, Resampa Haja. Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana […]