Tonga ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra, hijerena indray ny Barea de Madagascar hiakatra kianja. Hihaona amin’i Burundi izy ireo, anio, etsy Mahamasina. “Matoky ireo Malagasy mpilalao 25 mandrafitra ny Barea aho”, hoy Rakotondrabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, omaly, teny Ivandry, nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny […]
Taratra
Ady tany: lehilahy 70 taona maty novonoina
Vaky loha sy vava! Maty nodarohina ny lehilahy iray 70 taona, ny talata teo. Roa lahy voasambotry ny zandary. Voalaza fa ady tany no ao ambadiky ny raharaha. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray efa fotsivolo ny harivan’ny talata lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka ben’ny Tanàna teo aloha sy […]
Wednesday Morning Group : nizara “serviette hygiénique” azo sasana
Nizara “serviette hygiénique” azo sasana ho an’ny mpianatra teny anivon’ny CEG Ambohimanarina ny Wednesday Morning Group (WMG), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra zatovovavy 450 eo anivon’ny kilasy 5ème, 4ème ary 3ème eny an-toerana. Mbola mahamenatra ny maheno fa tonga fotoana ny zatovovavy. “Mila ampianarina ny zatovolahy sy ny zatovovavy fa […]
SOMBIM-BAOVAO
Mikarakara fifaninanana basikety, natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Lycée “All step”, ny ligin’Analamanga. Mbola tsy fantatra ny daty hanaovana izany saingy efa misokatra ny fandraisana ireo Lycée vonona hifaninana. Hatao ny 26 marsa ho avy izao ny fivoriambe arahina fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja karaté. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena […]
Karate : Raikitra ny “Samy Jao” andiany faha-18
Raikitra indray ny fifaninanana « Samy Jao » “Challenge du Boeny”, taranja karate, tanterahina isan-taona. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny federasion’ny karate-do malagasy. Ny 30 sy 31 marsa izao no hanatontosana izany, ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina, Mahajanga. Hisy ny fiofanana hatokana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ny 29 marsa, mialoha […]




