Avy hatrany dia nahazo fandresena ny Makis Ladies teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny medaly volamena, amin’ny Lalao Afrikanina. Fihaonana, tanterahina any Accra Ghana. Omaly alarobia, resin’ny Makis, tamin’ny isa mazava 20 no ho 5 i Nigeria. Toy ny nanaovan’ ny tovovavy malagasy fanazaran-tena fotsiny ry zareo nizerianina, […]
Taratra
Beach soccer sy Futsal: hisy fifaninanam-pirenena hifantenana ny Barea
Hofohazina eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) indray ny kaomisiona beach soccer sy ny futsal, rehefa tsy nihetsika nandritra ny taona vitsy. Anisan’ireo homena sehatra amin’ny fifaninanam-pirenena ny taranja beach soccer sy ny futsal, eto Madagasikara. Io no nambaran’i Pontiac Theopahn, filohan’ny komisiona, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, […]
INDRAY MIJERY
Hanao ba kiraro tsy mitovy maroloko ny daholobe, anio, ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Afaka miara-miaina anaty fahasamihafana no hafatra tiana ho voizina amin’ny hetsika iraisan’ny firenena maneran-tany ka hanentanana ny Malagasy handray anjara. Hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy, hiitatra amin’ny […]
FBI National Academy Associates: mendrika tamin’ny fiofanana ny inspecteur Sophie
Nisongadina tamin’ny taranja hazakazaka, nitana ny laharana voalohany tamin’ireo vahiny mpianatra ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Tafita soa tamin’ny fiofanana natao tao amin’ny FBI National Academy Associates, Inc tao Quantico izy. Toeram-piofanana mpitandro filaminana anisan’ny manan-danja indrindra any Etazonia no nanaovana izany fiofanana izany. Nitana ny laharana faharoa kosa ny […]
Fikarakarana zokiolona: mandray tanora hianatra asa ny Fimibeama
Mandray olona hianatra asa momba ny fikarakarana zokiolona ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara Fimibeama. Maimaimpoana ny tolotra ho an’ ireo liana sy mazoto. Entanina manokana ny zatovo sy ny tanora hahay handray andraikitra amin’ny sehatra sosialy sy fikarakarana ireo zokiolona mba hahaizany manaja ray aman-dreny. Fanabeazana ihany koa izany […]




