Nisongadina ny zava-bitan’i Malalanirina Fitia, teo amin’ny fifaninanana Triathlon, notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Fifaninanana nokarakarain’ny ECTA avy ao an-toerna. Nanao pao-droa ny tovovavy tamin’izany. Anisan’ny nahazoany fandresena ny teo amin’ny triathlon standard. 4 ora 44 mn 59 s ny fe-potoana azony, tamin’ny fanatontosana ireo taranja telo: ny […]
Taratra
Lalao afrikanina: hiditra an-tsehatra, anio, ny Makis Ladies
Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena. Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy […]
TARATRY ny KANTO
IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy […]
Mozika mihetsika: hisedra sehatra lehibe i Magic Jah
“Tsy manao fampisehoana na aiza na aiza aloha i Magic Jah fa manomana fety goavambe amin’ny taona 2024”. Tany amin’ny volana jona 2023 no nanaovan’ity mpanakanto ity io fanambarana io. Notanany ny teniny, ka hatao amin’ny alatsinain’ny Paka, ny 1 avrily izao, ilay fampisehoana “Baomba be”, araka ny anarany. Tsy […]
« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery
Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]




